Fiomanana ny Paka Nomarihan’ny kristianina katolika tamin’ny karemy sy ny herinandro masina
Karemy fibebahana, fankalazana ny sampankazo, « Tridium pascal », « Messe Chrismal »: ireo no fiomanan’ny kristianina katolika hankalaza ny Paka.
Fijaliana tambin’ny fandresena. Naharesy ny fahafatesana i Jesoa Kristy tamin’ny Paka. Fiomanana ara-panahy no niandrasan’ny kristianina katolika ity fandresen’i Jesoa Kristy ity. Nanomboka ny karemy izay fandinihana ny fijaliana’i Jesoa Kristy ho famonjena antsika olombelona. Fibebahana, fifadian-kanina, fiovan-toetra ho tsara, asa fiantrana no tanjona nandritry ny vanim-potoana ny karemy, izay nanomboka ny alarobian’ny lavenona. Nitohy fihobian’ny kristianina an’I Jesoa Kristy tamin’ny fankalazana ny sampakazo na ny nitsenana an’i Jesosa Kristy Mpanjaka hiditra ao Jerosalema,. Ny Talata Masina no nanaovana ny messe chrismalle teto amin’ny diosezin’Antsirabe, izay notarihin’i son excellence Monseigneur ANDRIANTSOAVINA Jean Pascal, evekan’ny diosezin’Antsirabe, tao amin’ny katedraly Notre Dame de la Salette; lamesa nanamasinana ny Menaka ampiasaina amin’ny fanomezana sakramenta ary koa fanamafisan-toky nataon’ireo pretra rehetra.
Zava-dehibe ho an’ny kristianina katolika ny herinandro Masina. Ny “Tridium Pascal” na ny hateloan’ny Paka dia ao anatin’ny herinandro Masina. Ny Alakamisy Masina no ankalazaina ny namoronan’I Jesoa Kristy ny Eokaristia Masina sy ny fankalazana ny fiaraha-misakafo farany nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianany. Ny Zoma Masina no ibanjinan’ny kristianina ny nanoloran’I Jesoa Kristy ny tenany teo ambonin’ny hazofijaliana. Ny Sabotsy Masina no andro fahanginana ary mitohy ny sabotsy alina fankalazana ny Paka. Ny Alahady ny Paka kosa no hankalazaina manetriketrika ny fandresen’I Jesoa Kristy, nitsanganany ho velona, izay fototra iorenan’ny finoantsika kristianina.
Commentaires
Enregistrer un commentaire