Gara, Antsirabe " Paska 2024 "


Raha ny nahazatra dia mifanitsakitro, tsy misy hifandrenesana, fofona tsy hay fantarina no re sy tsapa eny amin'ny Gara rehefa andron'ny Paska.


Raha hoarina tamin'ny taon-dasa, dia hita fa mangina ny fetin'ny Paska tamin'ity taona 2024 ity. Tsikaritra fa tsy toy ny andavan'andro ihany ny tahan'ireo olona mifamezivezy eny amin'ny Gara sy ny manodidina.
Tsy mbola misy lapi-hazo mijoro eo alohan'ny Gara. Tsy mbola nandrenesana mozika mandeha mafy. Toy ny efa mahazatra hatrizay.
Trano eva sy varotra an-dan-tabatra no mameno ny Gara. Estsy an-daniny ny manoloana ny Firaisana Antsirabe 1. Izay haraky ny fanadihadina dia nilaza ireo mpivarotra fa tsy mandeha ny tsena. " Ratsiratsy ny tsena fa toy ny tamin'ny taon-dasa ". Ireo olona mivarotra anaty trano eva ireo moa dia tsy avy eto antam-pontananan'Antsirabe ny maro anisa.

        Raha ny nahazatra hatrizay. Dia eo alohan'ny Gara ny fampisehoana lehibe izay tontosain'ny THB Tour. Saingy, tamin'ity taona ity kosa dia lasa ao amin'ny Green Park Tsarasaotra izany fa tsy ho ny isan-taona ny fafinaretana ho anao.
Azo heritreretina sahady fa tsy hisy ny fifanjevona be, ny hafanana tsy zaka. Ny fofona tsy fantam-pihaviana. Koa satria moa ny THB Tour no mahatonga maresaka maneran'ny nosy ny Paska eto Antsirabe. Izany indrindra no mahatonga an'Antsirabe ho lasa toerana be olona vahiny. Avy any amin'ny faritra na avy any ivelan'ny Madagasikara.


      Hiavaka noho izany ny ho hitan'ny mason-tsika amin'ity taona ity. Satria, lasan'ny fiangonana MRE ny manoloana an'ny Gara . " Ambiance Évangélique " noho izany no ré eto amin'ny tanàna. Azo sary an-tsaina sahady fa ho vitsy kokoa ny olona hifamezivezy eny amin'ny Gara raha hoarina tamin'ny taon-dasa.

Chryssi telle 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Fiomanana ny Paka Nomarihan’ny kristianina katolika tamin’ny karemy sy ny herinandro masina

Sarotra ny fifamoivoizana rehefa paka toy izao eto Antsirabe.

Fête de Pâques, une période exceptionnelle pour les Malagasy