Pâques 2024 : Nitombo isan'ireo mpivarotra raha oharina tamin'ny taona lasa
Anisan'ny manintona ny olona avy lavitra ny fisian'ny Star Tour manomboka 30 martsa - 31 ary ny 1 volona Avril eo amin'ny gare ny Antsirabe izany hoe maro ny karazany zavatra hoetiny izy ireo sady miova isan- taona ,toy ny fitondrasana ireo artiste hanao fampisehoana eny amin'ny gare toy ny wendy cathalina syAmbondrona ny sabotsy faha 30 martsa ,JOHANNE sy SAMOELA kosa ny alahady Ary OLADAD no mamarana azy ny voalohany volana aprily ary tsy nasiana vidim- pidirana ihany koa izy.Ary tena maro ny olona tonga eo handeha hijery resaka fanamasahana miaraka amin'ireo mpanentana efa fanta-daza toy ny FOU HEHy, ao ihany koa i BARHONE, mbola ao ihany koa i TEG, arahin'ny mpikosoka kapila Dj Nicky, miaraka amin'ny Dj Sniper, ary i Dj threeT sy Dj jim. Ny star tour ihany koa dia azahoan'ny Star tombotsoa sy ny mpandray anjara satria samy mahazo fafinaretana ny andininy sy ankilany. Raisiko ohatra ny paik'ady ataon'ny Star mba handaniana ny vokatra izay efa voahodina mba tsy ho simba na ho lany daty ilay vokatra. Raha eo amin'ny mpandray anjara kosa no asian-teny dia hita fa mazoto ny olo misitra ny vokatrin'ny Star rehefa tonga ny paska satria misy ny fihenam-bidy isankarazany toy ny zava-pisotro tsy misy alokola, ao ihany koa ny zava-pisotro mamy manala hetaheta.
Maro azo isafidianana ny kilalao izay misy eny amin'ny tour Star satria natao hampifalina ny mpiara-belona sy ny mpihavana izy io. Fa ny ankizy no tena mahazo tombotsoa betsaka amin'izany satria saika hita eny avokoa ireo karazana kilalao samy hafa. Kanefa tsy diso anjara amin'izany ihany koa ny olo-dehibe satria ny kilalao ara-tsaina ihany koa eny izay natokana ho an'ny olona efa lehibe. Ka nohon'izany dia samy mahazo ny anjrany avokoa ny olona rehetra izay mandeha na ny ankizy izany na ny tanora na ny olon-dehibe ihany koa ary dia samy mahazo ny sahaza azy avokoa.
Raha ampitahaina tamin'ny taon-dasa dia tsy nisaha-mitombo ny olona mamonjy ny paska eto Antsirabe. Na ny avy lavitra na ny eto an-toerana dia samy tonga mavitrika eny avokoa mba hampiala voly ny fianakaviana sy ny namana aman-tsakaiza. Ka hipoka olona tanteraka ny gare ny Antsirabe renivohitra satria maro ireo olona tonga manotrona sy miala voly amin'ny andron'ny paska. Raha amin'ny resaka fahadiovana no asian-teny dia efa nanome torimarika sy paik'ady amin'izany ny tompon'andraikitra ary efa nasiana ny fitoeran'ireny fako reny eny amin'ny manodidina mba tsy hisian'ny fahalotoana diso tafahoatra. Ka na dia eo ary izany dia ny saonjo iray loha saha dia tsy ilan'ny izay hangina fa raha amin'ny ankapobeny no asian-teny dia hita fa madio ny tanana ary voahaja tanteraka ny fahadiovana teny amin'ny gare izany nisian'ny hetsika.
Letichia SAMARIZARA
Commentaires
Enregistrer un commentaire