Sarotra ny fifamoivoizana rehefa paka toy izao eto Antsirabe.


Manomboka miha-betsaka ireo olona mivezivezy, indrindra eny amin’ny tsangam-bato sy ny manodidina. Isany mapitohana ny fifamoivozana izany. Andro vitsy tsy hatongavan’ny paka tokoa mantsy dia efa tafapetraka ireo tranoheva ahitana tsakitsaky sy zava-pisotro maro isan-karazany ary fivarotana ireo kojakoja ilaina amin’ny adavan’andro sy ireo kilalao mapiala-voly. Izay isany mahatery ny lalana raha eny amin’ny manodidina ny gara.

Mifanitsa kitro sy misisika ny olona. Mijery lanona sy miala voly na manao fitadiavam-bola mivarotra eny amin’i gara mihitsy aza, ireo dia anisany antony mampivoka ny olona amin’izao fotoana izao. Ny fahabetsahan’ireo standy fivarotana ireo indrindra no maha tery ny lalàna raha ny eny manokana, tsapa izany amin’ny andro ao aloha sy mandritra ny paka. Ny maha variana anefa, rehefa alatsinain’ny paka dia mitandavana mamonjy ireny toeram-pitsangatsangana ireny avokoa ny akamaroan’ny olona toy ny eny Andraikiba, Pépinière. Ka mifanjevo sy mitohana indray ireo lalàna mihazo ireny toerana ireny.

Mihezaka mandamina sy mandrindra ny fifamoivoizana ihany ireo mpitandro filaminana ka toy ny isan-taona dia asiana fetra hanakanana ireo olona mitondra fitaovam-pitanterana ireo lalàna sasatsasany makao amin’ny tsangam-bato mba isorohana ireo loza mety hitranga. 

Etsy andanin’ny fahateren’ny lalàna, anefa dia betsaka ihany koa ireo fitaovam-pitanterana mivezivezy toy ny fiara, ny posy, ny kodiaran-droa, fotoana iray izay ilaina fitandrema noho ny maha fety ny fety dia tsy maintsy misy ny fandraisana alkola izay indraindray mety tsy voafehy.

Azo lazaina ho miavaka ihany ity fety iray ity raha etoAntsirabe manokana. Mahasarika olona maro, izay misy amin’ireo no avy any amin’ny faritra. Seho an-tsehatra iarahana amina mpanakanto maro mandritra ny THB tour, Fampirantiana sy fivarotana entana ilaina amin’ny adavan’andro, ary toerana maro no afaka hitsangatsanganana, sangany amin’ireo zavatra azo atao sy jerena eto. Na diafotoana fohy aza ny paka dia afaka mihaona amin’ny fianakaviana sy hizarana hafaliana ity vanin’andro ity, rehefa samy repotry ny asa sy adidy hiantsorohana ny tsirairay

 

Fanilo Lalaina 

 

 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Fiomanana ny Paka Nomarihan’ny kristianina katolika tamin’ny karemy sy ny herinandro masina

Fête de Pâques, une période exceptionnelle pour les Malagasy