Fetin’ny Paska 2024

 Maresaka ny fety eto Vakinankaratra

Efa maro ireo olona mifamezivezy eto Antsirabe amin’izao ankatokin’ny Paska izao, efa betsaka ihany koa  ireo toeram-pivarotana mitsangana manodidina ny gare, sy ireo kilalao maro isan-karazany izay mampalaza ny fetin’ny Paska.

Efa manomboka maresaka ny fety tamin’ity herinandro ity; maro ireo olona avy any amin’ny faritra maro samihafa no tonga eto Antsirabe mba hiala voly mandritran’ity fety ity.Amin’izao fotoana izao dia efa maro ireo zavatra hita eny amin’ny gare eny toy ny : kilalao maro isan-karazany, sakafo, sy ireo fivarotana maro.

Malaza tena malaza ny Paska eto Antsirabe,nefa fety tena handanian’ny olona vola ihany koa izy io. Ilaina fanomanana kokoa izy raha oharina amin’ny fety rehetra, mba hisorohana ny mety ho tsy fananam-bola tampoka. Misy amin’ireo fianankaviana no manangona mihitsy ho laniana mandritran’ny Paska, tokan-trano iray no mahalany eo ho eo amin’ny ariary 60000 eo rehefa alahadin’ny Paska, hanaovana sakafo tsotsotra mba hampifaliany ny ankohonany.

Isany amin’ireo fandaniam-bola ihany koa, ankoatrin’ny sakafo ny frais na saran-dalana hifamezivezena mandritran’ny efatr’andro na dimy andro hankalazaina ny Paska.

Herinandro mialohan’ny fety dia efa hita fa mitombo ny olona eto Antsirabe, misy amin’izy ireo no avy any lavitra fa hamonjy Paska fotsiny no ahatongavany eto,misy ireo avy any amin’ny faritra maheno ny lazan’ny Paska eto Antsirabe dia misafidy manokana ny hankalaza izany aty ,eny fa na ireo avy any ambanivohitra any aza dia  tonga eto mba hifety.

Betsaka ny vola lany rehefa Paska, fa misy kosa nefa ny vola miditra ho an’ireo mpivarotra mandritran’io fotoana io,ao anatin’ilay 4 andro hankalazaina ny Paska dia miditra ny vola eo amin’ireo mpivarotra zava-pisotro ,hita fa maro ireo olona miroana kokoa amin’ny alikaola rehefa fety toy izao.

Na eo aza ny fety sy ny fahafinaretana azo rehefa fety dia hita fa mbola tsy mahay manaja tonotolo hiainana ny mponin’ny Vakinankaratra,loto maro no hita manodidina ny Gara eny, rehefa vita ny Paska,masiso ny tanana ,feno fako sy loto maro isan-karazany.Tsy mahay mikajy ny manodidina ny vahoakan’Antsirabe ,maro ireo foto-drafitr’asa simba sy rava mihitsy aza rehefa fety toy izao.

 

 Prisca ANDRIAFELANIAINA

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Fiomanana ny Paka Nomarihan’ny kristianina katolika tamin’ny karemy sy ny herinandro masina

Sarotra ny fifamoivoizana rehefa paka toy izao eto Antsirabe.

Fête de Pâques, une période exceptionnelle pour les Malagasy