Paska Antsirabe, anatiny tanteraka ny tanàna amin’izao fotoana
Mpivarotra sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny andavan’andro, fisotroana sy fampisehoana isan-karazany, ireo avy hatrany no tonga ao an-tsain’ny maro raha vao miresaka ny paska eto Antsirabe. Samy manana ny fomba ankalazany araka ny tandrify azy avy ny tsirairay. Isan’ny fotoana hanararaotan’ny maro hialàna sasatra aty Antsirabe ihany koa izy ity isan-taona. Maro ireo mpiavy, kanefa tsy latsa-danja manoloana izany ireo mpila ravin’ahitra any amin’ny faritra mamonjy fodiana rehefa fety tahaka izao. Ankoatra izay, tsy adinoina ihany koa anefa ny maha fety kristiana ny fetin’ny paska. Toy ny isan-taona, ao anatin’ny herinandro masina avokoa ireo fiangonana kristiana amin’izao fotoana. Isan’izany ny Alakamisy masina, izay fahatsiarovana ny niraisan’ny Tompo latabatra farany tamin’ireo mpianany. Nisy ny fotoam-pivavahana nentina nanamarihana izany teny anivon’ireo toeram-piangonana Samira fa. Ho an’ny FJKM manokana, nahitana fidirana in-droa miantaona ny fotoam-pivavahana tamin’ity Alakamisy ...